Aller au contenu
MesPoèmes.net Créer mon site de poésie

Ho an'i Neny malala

Le mercredi 29 décembre 2010 à 12:11, posté par Gloria · 1 335 lectures

PS: Poeme en malgache dédié à ma mère

Ho an'i Neny malala

Misaotra anao aho ry reny malala
Fa be loatra ny soa nataonao ahy
Na lavitra aza ianao dia aoka hahalala
Fa ho tiako foana mandrakizay!

Izaho aty salama tsara
Ary tsy sasatra ery miandry anao
Betsaka anefa no tiako ambara
Izay holazaiko aminao eto izao

Aoka anie ianao ry neny tsy foiko
Ka tsy ho be alahelo
Tsarovy fa hotazomiko ato am-poko
Ny fitiavanao mamelovelo

Tiako ianao, tiako tokoa
Ka tsy ho asoloko reny hafa
Nomenao ahy izay mahasoa
Ireny rehetra ireny dia tsy ho voafafa

Hatramin'izay ka hatramin'izao
Ny azoko ambara dia "misaotra anao"
Inona moa no mihaotra ireny?
He! Fitia tsy hita velively!!


Mahatsiaro anao aho ankehitriny
Ianao mahalala 'tony faniriako
Toa manimanina ny fahiny
Niarahako taminao ry ilay neny tiako

Fahatsiarovana ihany ireny
Fa mbola miandry koa ny ho avy
Hahenoinao foana ilay teny hoe "Neny"
Avy amin'ity zanakao vavy

Raha toa ka mbola velon'aina
Ka mibaliaka ny masoandro
Dia aza diso miasa saina
Sy manembona isan'andro

Tsarovy fa izay no lahatra
Napetraky ny Ray
Raha mbola izy no mpandahatra
Aoka tsy hisy ahiahy

Ny tiako ambara dia izao
Hasambarana no omeny antsika
Ka mifalia manomboka izao
Fa io no fahasoavana tsy mety ritra

02/03/10
:40:
Pas encore de note · connectez-vous pour noter

Aucun commentaire

Connectez-vous pour laisser un commentaire, ou créez votre site, c'est gratuit.